Fandriampahalemana

Maibahoaka Ivato Ny fihetsiny no namadika ilay jiolahy rain-dahiny


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Tena tsy ampoizina ary tsy fantatra intsony amin’izao ny olon-dratsy.

Lehilahy iray hafahafaha fihetsika afak’omaly talata 04 qprily no tsikaritry ny olona teny Maibahoaka Ivato ka avy hatrany dia niantso zandary iretsy voalohany. Somary kodikody mantsy Ingahirainy nefa toa mitilitily trano hanaovan-dratsy hafahafa ihany koa hoy ny loharanom-baovao. Mailo ireo mponina vokatr’izany. Rehefa tonga namaly ny antso ny zandary dia nosamborina ilay ranamana ka tra-tehaka niaraka taminy ny basy poleta vita gasy sy vodina bala maromaro. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ilay ranamana ity noho izany, asan’ny mpitandro ny filaminana mbola nitohy omaly. Tsiahivina moa fa tena manao ny hataony tokoa ireo mpangalatra sy mpamaky trano, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT