Fandriampahalemana

Mahitsy Voaendaka ry Zoto 5 mianaka


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Nisy nanendaka ry Zoto sy ny fianakaviany raha niala teny Andranomena ny alakamisy teo, hiazo an’i Mahajanga ary hamonjy ny trano fonenany any Antsiranana.

 

 

 

Ny alakamisy hariva teo tokony ho tamin’ny 05 ora fotoana nahatongavany teny Mahitsy no nitrangan’izany. Tao anatin’ireo olona marobe izay nijery sy nitsena azy ireo no nisy nangarona ny paosin’i Zoto ka very tamin’izany ny volany. Nisy nangalatra sy simba ihany koa ny entana sasany nentiny raha voatositosika ny zanany. Tsy maintsy nijanona tao Mahitsy izy 5 mianaka araka izany ka renim-pianakaviana tsara sitra-po iray no nampiantrano azy. Nalahelo mafy i Zoto, raha ny nambaran’Atoa Hervé Barinjaka, ilay nampiantrano azy teny Andranomena Antananarivo. Na izany aza dia tsy nahasakana azy 5 mianaka tsy hanohy ny diany izany ka omaly dia efa lasa lavitra tokoa izy ireo. Nisy ny mpitandro ny filaminana nanaraka azy amin’izany dia hataony izany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT