MAHITSY

Fasana iray vaky, razana 3 raha kely no lasa


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Nitrangana vaky fasana indray tao amin’ny Fokontany Ankadifotsy Ampananina,

kaominina ambanivohitra Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo ny alin'ny Talata 13 Febroary teo. Fasana 01 no vaky tamin’izany ka taolan-dava maromaro no lasa hoy ny vaovao. Razana miisa 03 raha kely no voakirakira tanteraka ka tsy nisy afa-tsy ireo lamban-drazana sisa no tavela tao am-pasana.Olona sendra nandalo maraina no nahatsikaritra izany vaovao mampalahelo izany ary nampandre ny mponina tao an-tanàna. Ireto farany indray no nampandre ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny taorian’izany ary efa misokatra ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa ankoatra ny distrikan’Arivonimamo dia anisan’ny toerana ahitana vaky fasana betsaka ny ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.
Pati
Legende : Ity ilay fasana vaky !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT