MAHITSY

Ataon’ny dahalo kilalao ny mamaky fasana


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Hataon’ireo dahalo kilalao ny mamaky fasana any amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny.

Fasana miisa 4 indray no indray vaky ny Sabotsy 18 Novambra alina lasa teo tao Andita, kaominina ambanivohitr’i Mahitsy. Nifanakaiky avokoa ireo fasana ireo hoy ny vaovao ary mbola irony any ambanin’ny tany irony avokoa. Lasan’ireo mpangalatra nandritra izany ny razana rehetra tao amin’ireo fasana ireo izay tsy latsaky ny 30 isa. Ny lamba sisa no navelan’izy ireo hoy ny loharanom-baovao, vaky fasana izay tombanan’ireo fianakaviana ho naharitra elaela mihitsy. Olona sendra nivoaka maraina, nandalo ny toerana misy ireo fasana ireo no nahita izany efa nibanaka ka nampandre ny fianakaviana. Efa tonga nijery ireo taolam-balon’ny fianakaviany moa ireto farany ary efa nampandre ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Pati
Legende : Mirongatra ny vaky fasana any amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT