MAHITSY AMBOHITRIMANJAKA

Rongony 116 fonosana nafenina tao anaty tranon’alika


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Lehilahy iray 20 taona sy vehivavy iray 28 taona no voasambotry ny Polisy

misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina etsy Anosy teny Mahitsy Ambohitrimanjaka afak’omaly Talata 16 janoary tokony tamin'ny 12ora sy sasany atoandro rehefa nivarotra rongony. Tratra tao an-tranony mihitsy izy ireo rehefa nidina ifotony ny mpitandro ny filaminana. Rehefa nanotaniana ireto farany dia nanondro ny toerana fanafenan'izy ireo ny rongony hamidiny ka tratra tao anaty tranona alika teo ivelany ny rongony 116 fonosana. Tamin'ny fanadihadiana natao azy ireo dia niaiky ilay vehivavy fa azy ireo rongony tratra ireo ary hamidiny 1000ar ny fonosana iray. Fantatra fa eny Andohatapenaka no fividianana ireo rongony hamidin'izy ireo ary mahalafo 50 fonosana isan'andro izy. Ilay lehilahy kosa dia mpikirakiraka ary mividy sy mivarotra ireo rongony. Naiditra am-ponja omaly 17 Janoary izy ireo rehefa avy niatrika ny fampanoavana.
Pati
Legende : Ireto ry zareo mpivaro-drongony eny Mahitsy Ambohitrimanjaka eny !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT