MAHITSY AMBOHIDRATRIMO

Razana 98 isa mahery lasan’ny jiolahy


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Tsy mety tapitra ny vaky fasana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Fasana iray indray no fantatra fa nisy namaky tao Antandrokomby, kaominina ambanivohitr’i Mahitsy ny Talata 21 May alina teo izay voalaza ho nisy razana miisa 100. Ny 2 tamin’ireo razana ireo sisa no fantatra fa navelan’ireo mpanao ratsy, razana izay fantatra fa mbola lena. Ny ankoatra izay dia nofaohan’izy ireo avokoa raha araka ny fanazavan’ireo Ray aman-dReny lehibe ao an-tanana. Efa nantsoina nampahafantarina ny zava-misy moa ny tompom-pasana raha toraka izany ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Raha ny nambaran’ireo mponina moa dia mety ho tambajotra mihitsy ity mamaky fasana ao Mahitsy ity. Diso mangina loatra mantsy iny toerana iny hoy hatrany izy ireo nefa vava lalana ka tsy sarotra ho an’ireo mpanao ratsy ny manondrana avy hatrany ireo taolana…Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny tsy fandriampahalemana ao Mahitsy araka izany ny mponina indrindra fa ireo kandida hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka izay tsy tazana raha tsy amin’ny fotoana hitadiavany vato tahaka izao.
Pati
Legende : Tahaka izao sisa no nihafaran’ilay fasana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT