Fandriampahalemana

Mahazina-Antsirabe Nahatrarana rongony sy fitaovana fanaovana vola sandoka


  • Talata 14 Novambra 2017

Mitohy ny famongorana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Antsirabe. Saron’ny polisim-pirenena indray ny tokantrano iray ahiana ho mpamatsy rongony tao amin’ny fokontany Mahazina.

 

 Nisy ny fangatahana taratasy tany amin’ny fitsarana nahafahana nanao ny fisavana ny tokantranon’izy ireo ka nahatrarana rongony nilanja 2kg. Ankoatra ny rongony moa dia nahatrarana fitaovana hafa fonosana roa izay heverina ho fanaovana vola sandoka ihany koa ary nisy fanafody be dia be. Araka ny fanazavana nentin’ny kaomisera divizionera Ramilison Céléstin, lehiben’ny polisim-pirenena Vakinankaratra dia tsy mitsahatra ny mikaroka ny fametrahana ny fandriampahalemana izy ireo. Azo antoka fa matoa misy ireo akora fanaovana vola sandoka dia mandehandeha any ny fitaovana fanaovana azy. Manao antso avo ho an’ny vahoaka ny tenany amin’ny fanomezam-baovao samihafa. Ny fitobahan’ny mahadomelina no fototry ny tsy fandriampahalemana ka hiantsoany fifanomezan-tanana. Roa volana lasa izay dia nisy ny fahatrarana rongony nilanja 50 kilao tao Antsirabe ary niampy indray ny loharanom-baovao hafa nahitana ireto olona mpianaka ireto.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT