Fandriampahalemana

Mahavoky Besarety Namidy 300.000 Ar ilay moto halatra


  • Alarobia 26 Oktobra 2022

Lehilahy iray 26 taona no tratran’ny kaomisaria CSP 3 Antaninandro teny Mahavoky Besarety afak’omaly Alarobia 24 oktobra tokony ho tamin'ny 10ora maraina rehefa nivarotra moto halatra.

 Fantatry ny Polisy miandraikitra iny faritra iny ny fisian’olona mikasa hivarotra moto jog miloko mainty izay tsy ara-dalana. Araka ny re dia hamidy mora amin'ny vidiny 300.000 Ar ilay moto. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo Polisy nanoloana izany. Natao ny vela-pandrika fa hovidina ilay moto ary rehefa niroso tamin'ny fanamarinana ny antotan-taratasy ireo mpividy dia hita sy voamarina fa tsy ara-dalana tokoa ilay moto. Mipetraka eny amin'ny faritra Anosibe ity lehilahy voasambotra ity raha teny amin'ny faritry ny boriborintany fahatelo kosa izy no tratra nivarotra izany. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa teny Anosizato no nangalarina ilay moto ary namidy teny Mahavoky/Besarety.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nivarotra moto halatra 300.000 Ar
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT