Mahavelona Ankazobe

Olona 3 natao « kidnapping », mitaky 180 tapitrisa Ar ny dahalo


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Tsy mety mandry ny tany ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Olona miisA 3 indray

mantsy no voalaza fa nisy naka an-keriny tany Volaniray Mahavelona ny alahady lasA teo. Renim-pianankaviana 2 sy lehilahy iray ireo natao « kidnapping » ireo ka voalaza fa volabe hatrany amin’ny 180 tapitrisa Ar no takian’ireo jiolahy, ary mandrahona ny hamono ireo olona lasany ireo olon-dratsy raha toa ka tsy voaloa io vola io. Manao antso avo manoloana izany tranga izany ny fianakaviana fa tena mahatsiaro mijaly sy mihorohoro fatratra, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Na tsy an-kitsitsy aza ny fisamborana ireo heverina fa olon-dratsy sy mpiray tendro aminy, toy ireo 30 mahery nidoboka am-ponja vonjimaika tamin’ny raharaha famonoana ny ben’ny tanànan’Andranomiely, dia mitohy ny fihantsian’ireo dahalo. Sanatrian’ny vava ve efa misy vondron’olona niofo ho vondrona mahery fihetsika sy mitam-piadiana mihitsy any amin’iny distrika iny satria mahavita mihantsy mpitandro filaminana mihitsy ? Sa ambadika politika avo lenta amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ka mandeha ny « kidnapping » mba hitakiana volabe hoenti-miatrika ny propagandy sy ny anto-bola ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT