Fandriampahalemana

Mahanoro 4 lahy tratra niaraka tamin’ny taolam-paty 50kg


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.

Nahazo fanampim-baovao mari-pototra ny polisim-pirenena tao amin’ity distrika iray ity mahakasika ny fisian’ny halatra taolam-paty sy ny fivezivezen'izany any an-toerana . Araka izany dia nohamafisina ny fisafoana ny fiara na ny lakana ary ny olona mifamezivezy tany an-toerana . Vokany, tratra tamin’ny talata teo teny amin’ny toby fiantson-dakana tao Mahanoro izy ireo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Hafahafa fihetsika izy efa-dahy ireto ka tsikaritry ny polisy. Milanja gony feno zavatra izy ireo tamin'izany. Vao nahita azy ireo ny mpitandro ny filaminana teo an-tseranana dia nisava azy ireo. Nikoropaka ireto olon-dratsy ka vaky nandositra ny roa tamin’izy ireo ary ny roa hafa kosa, izay tompon’antoka amin’ity fanondranana taolam-paty ity dia voasambotra teo no eo ihany . Rehefa nosavaina ny gony teny amin’izy roalahy voasambotra ireto dia nahitana : taolan-dava iray gony izay milanja 50 kilao sy tavoahangy misy ody gasy iray. Tsy nijanona hatreo anefa ny polisim-pirenena fa mbola nizaha ireo olona roa hafa tafatsoaka tamin'io fotoana io .Nitohy ny fikarohana ka tokony ho tamin’ny 11 ora alina dia tratra ihany koa tsy lavitra ny seranan-tsambo ireto roalahy tafatsoaka ireto . Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo dia ny roa no tena tompon’antoka sy nitondra ireto taolam-paty ireto ary ny roa hafa kosa dia mpanera. Mitohy ny fanadihadiana hataon’ny Polisy mahakasika ity raharaha ity.
Pati Legende : Ireto izy efa-dahy sy ilay gony nitondrany taolam-paty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT