MAHAMASINA

Tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mpanendaka


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Zaza tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mpanendaka eto an-drenivohitra. Mahavita mihoatra noho ny hataon’ny lehibe

mihitsy izy ireny raha araka ny fantatra no sady mahay mandrebireby. Zazalahy kely iray vao 14 taona no voasambotry ny polisy teny Mahamasina omaly Talata 29 Aogositra tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro rehefa avy nanendaka. Ireo polisy misahana ny fandaminana ny za no nahatsikaritra ity tovolahy kely ity nanao ny asa ratsiny. Tsy niandry ela fa noraofina avy hatrany ity farany ka noentina nihazo ny biraon'ny polisy ary nomena ny sampandraharaha misahana ny zaza tsy ampy taona na ny PMPM etsy Tsaralalana. Tsiahivina fa saika tsy manam-piahy ny ankamaroan’ireny ankizy mpanendaka eto an-drenivohitra ireny na manan-dRay aman-dReny ihany fa tsy voafehy. Roa isan-kerinandro moa ireo zaza tsy ampy taona tratra manendaka eny an-tsena eny raha kely.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy ampy taona tratra nanendaka teny Mahamasina omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT