Fandriampahalemana

Mahajanga Voatafika ny Microcred , lasa ny vola 2 kitapo


  • Zoma 16 Martsa 2018

Nisy namaky omaly tokony tamin’ ny 7 ora latsaka fahefany hariva ny banky fampindramam-bola madinika na ny Microcred ao Mahabibo Mahajanga. Fiara tsy mataho-dalana marika Nissan miloko volon-davenona na « Gris » miafara amin'ny ...

 

17 ny laharany no nampiasaina, raha ny fampitam-baovao vonjimaika. Miisa 6 ireo mpandroba ary ny iray ihany no nisaron-tava, izay mirongo fitaovam-piadiana. Teo amin’ ny fidirana natokana ho an’ ireo mpiasa no nidiran’ireo jiolahy, ka very tamin’ izany ny kitapo miisa 2 nisy vola izay tsy mbola fantatra hatreto ny totalibeny aloha hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Nanao antso avo amin’ny fanomezam-baovao ho an’izay mahita io fiara io avy hatrany ny polisin’ny UIR, ka azon’izay manam-baovao atao ny mampandre azy ireo amin’ny alalan’ny ny laharana an-tariby 032 98 888 57, 034 92 667 92. Tena niha nirongatra ity fanafihana toerana mikirakira vola mivantana ity, ka ireny “cash point” na fanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday ireny no tena lasibatra hatramin’ny nisiany, ary izao miampita amin’ny “Microcred” izao. Saika mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy “kalachnikov” hatrany ny mpanafika amin’ny ankapobeny, izay mampametra-panontaniana hoe avy aiza marina ? Iza no ao ambadika ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT