Fandriampahalemana

Mahajanga Tratra ilay teratany vahiny mpamatsy rongony


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Lehilahy miisa roa ka tera-tany vahiny ny iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny UIR Mahajanga ny 02 novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 10ora alina rehefa nahatrarana zava-mahadomelina.

Lehilahy iray hafahafa fihetsika no tsikaritry ny olona nametraka sachet tao amin’ny faritry ny hopitaly Androva. Nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana ireo nanatri-maso ka rehefa tonga ny Polisy dia noraisin’io lehilahy io ilay sachet ary saika handositra izy ka voatanan’ny Polisy. Rehefa natao ny fisavana ny tao anatin’ilay fonosana dia fantatra fa vovona cocaine no tao anatiny. Noentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana ity farany ary tamin’izany no nahafantarana ny namany iray tera-tany vahiny mpanome azy io zava-mahadomelina io. Natao ny fikarohana ka tratra tany anaty bar teny amin’ny fokontanin’i Manga io namany io. Marihana fa mbola nahatratrarana fonosan-drongony miisa folo ihany koa teny amin’ity tera-tany vahiny ity.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT