Fandriampahalemana

Mahajanga Mirongatra an-tanàn-dehibe ny fanafihana


  • Talata 11 Aprily 2023

Miha sarotra ny toe-draharaha sy ny fiainana ao an-drenivohitr’i Boeny amin’izao fotoana satria : mirongatra izay tsy izy ny fahantrana,

tsy misy ny famoronana asa sy famokarana, maro ireo orin’asa no nanakatom-baravarana.
Mirongatra ho azy ny tsy fandriam-pahalemana noho izany, ary efa tena mahasahy mihitsy ireo jiolahy satria dia nisy mihitsy ny fampilazana azo avy amin’ny mpanafika fa ho avy mafonja amin’iny faritra Amborovy iny. Tahaka ny fanaon’ireo dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny izany fomba fiasa izany saingy tsy hoe any ambanivohitra lavitra fa ao Mahajanga tanàna.
Lasa misy « couvre feux » na tsy fahafahana mifamezivezy amin’ny alina tampoka ; izany hoe manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina, tahaka ny efa nitranga ihany koa tany Ambatondrazaka izay efa tena mampimenomenona ny olona.Lasa manaratsy endrika sy laza ny tanàna ny zavatra tahaka izany ; maro ireo mpizahatany tsy tonga any intsony. Maika miha sahirana ny tanàna, satria mihena be ny vola azo avy amin’ny fizahantany ; na ireo mpivarotra isan-tsokajiny eny amin’ny « plage » aza dia efa mipenopenona mihitsy ary vaky vava fa mafy ity mahazo ity fa tena tsy miditra ny vola, na dia vanim-potoana fialan-tsasatra aza izao. Fa ity koa no mbola loza iray hafa : potika tanteraka ny lalam-pirenena faha 4 (RN4) niverina tahaka ny tamin’ny taona ‘90 hany ka vitsy dia vitsy no sahy mandeha aminy . Ny arabe feno lavaka, ny tetezana misy manongotra ny arofanina sy izay vy rehetra eo aminy. Tena izao ve sisa no niafaran’ilay Mahajanga kanto sy milamina ary madio ery, hoy ny raim-pianakaviana iray tena vaky fo nahita ny zavamisy raha sendra nandalo tany tamin’n faran’ny herinandro iny. Mampametra-panontaniana hoe fa manao inona ny ao amin’ny faritra tarihin’ny governora, f’angaha tsy misy mpiasa intsony ao amin’ny kaominin’i Mahajanga renivohitra, fa aiza ny mpitandro filaminana ? Sa miandry inona vao hiasa.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT