Mahajanga_Famonoana vehivavy 68 taona

Ilay mpiasa ihany no nahavanon-doza, 2 nidoboka am-ponja


  • Zoma 19 Jolay 2024

Ny mpiasan’ilay Renim-pianakaviana iray 68 taona nipetra-drery nonina teny amin’ny Village

touristique Mahavoky Atsimo Mahajanga ihany no fantatra fa nahavita nandatsaka ny ainy. Ny 25 Aprily lasa teo no nitrangan’ity toe-javatra mampalahelo ity. Olona miisa 2 hatreto no efa naiditra am-ponja vonjimaika dia lehilahy iray sy io mpanampy vavin’Itompokovavy io. Nidiran’io mpiasany io an-keriny tao an-tranony moa ity Renim-pianakaviana ity ka novonoiny ary tsy namelany raha tsy afaka ny ainy. Ankoatra azy 2 ireo dia miisa 15 ireo olona nohadihadiana tamin’ity raharaha ity. Resaka lonilony sy fialonana moa amin’ny ankapobeny no antony namoan’ilay mpanampy ity Renim-pianakaviana mpampiasa azy ity.
Pati
Legende : Efa any am-ponja ry zareo ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT