Fandriampahalemana

Madera Namontana Noraisim-potsiny teo am-panendahana i Rasta


  • Alarobia 16 Jona 2021

Tratra omaly vao maraina, tamin'ny 4 ora sy 20 minitra, teny Namontana, anelanelan'ny Colis Express sy ny farmasia i Rasta.

 

Tovovavy iray mamonjy tsena maraina no noribain’ity farany sy ilay naman ka lasany tamin’izany ny finday.Niantso vonjeo anefa ilay tovovavy ka nenjehin’ny fokonolona i Rasta sy ilay namany ary tena niharan’ny vono sy nydaroka tokoa. Naterin’ny fokonolona tany amin’ny Fokontany moa Rasta taorian’izany rehefa niandrasana ora iray ny polisy ka tsy tonga ihany.Raha ny fantatra moa dia hatreny amin'ny rond-point Soanierana ka hatrany amin'ny rond-point Anosibe ity asa fanendahana eny Namontana sy ny manodidina ity. Tsy misy jiro rahateo eny an-toerana fa maizin-kitroka. Raha ny fantatra hatrany moa dia any anaty tsena ireo jiolahy no miery amin’ny alina no sady misotro toaka ary mivoaka izy ireny raha vantany vao madiva haraina hanendaka ireo mpaka entana sy mpitondra entana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT