MADERA NAMONTANA

Lehilahy iray hita faty niboridana


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Lehilahy iray no hita faty niboridana omaly Alarobia 13 Novambra maraina teny Madera Namontana.

Mpivavaka handeha hivavaka maraina sy mpiantsena no fantatra fa nahita an'io faty io voalohany ka nampandre ny Fokontany akaiky teo. Rehefa nidina nijery ifotony ny razana ny tompon’andraikitra dia fantatra fa teo amin'ny tananan’Itompokolahy no nisy nofo niala . Ohatra ny nokapaina izany koa ny tongony raha nahitana ratra toy ny novelesina tamin’ny bois rond koa ny lamosiny. Nisy vehivavy nilaza ho vadiny moa hoy hatrany ny vaovao tazana teny an-toerana saingy tsy nanantona fa lasa nitomany fotsiny. Tombanana ho olon-tiany araka izany ity farany. Manodidina ny 40 taona mahery eo ho eo moa io lehilahy hita faty io. Tsiahivina fa anisan’ny faritra tena mamay amin’ny tsy fandriampahalemana ny eny Madera Namontana.
Pati
Legende : Anisan’ny faritra tena atahorana ny ety Madera Namontana na amin’ny andro atoandro aza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT