Madagasikara

Miparitaka ny zava-mahadomelina


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Sesilany ny tranga fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika.

Nodorana tao amin'ny fokontany Ampasy ny rongony milanja 255 kilao mahery. Nanatrika izany ny lefitry ny prefen'i Morondava sy ny komandin'ny Kompanian'ny Zandarimaria, Capitaine Ramaroson Andriamanalina, ny 11 janoary teo, araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Nanentana ny rehetra mba hizara vaovao ny zandary nandritra izany, noho ity fiparirahan'ny rongony ity mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Marihina nampidirina am-ponja vonjimaika ny 9 janoary teo ny roa tamin'ireo telo lahy voasambotra noho ny raharaha trafikana rongony tany Morondava io, izay tratran'ny Zandary ny 28 desambra 2023, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Vao ny faramparan’ny taona teo ihany koa no nisian’ilay fahatrarana 800kg mahery saika hoentina aty an-drenivohitra, vao ny fiafaran’ity taona ity no nisian’ilay trafika tatsy Maorisy nahatrarana rongony manodidina ny 500 ka Malagasy 6 no vosambotra,… Na ny haparitaka ato anatiny na ny haondrana izany dia tena mirarakopana satria betsaka ireo tranga fahatrarana eny amin’ny fiarahamonina eny. Madagasikara ihany koa dia voasokajy ho toerana ihodinan’ny trafikana zava-mahadomelina na «plaque tournante ». Vao herintaona lasa izay no nisian’ireo rongony tamin’ny gony maro tratra tao Toamasina, izay nisy nakan’ny mpiambina ary niparitaka. Nalaza avy eo ny resaka roro sy ny tranga maro hafahafa. Vokany, mirongatra ny tsy fandriampahalemana, herisetra,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT