MACOTEX BEHENJY ITAOSY

Vinanto sy rafozana tafaraka samy jiolahy tratra


  • Zoma 26 Janoary 2024

May ny tanety rehefa ny olona mpihavana na mpinamana no samy jiolahy.

Tsy misy mahamenatra sy atahorana intsony mantsy fa mandeha avokoa izay asa ratsy hatao rehetra. Tsy misy hafa amin’izany ireto vinantolahy sy rafozandahy tratra teny amin’ny Macotex Behenjy Itaosy Atsimondrano ireto. Raha araka ny fantatra dia 𝚖𝚙𝚒𝚍𝚘𝚛𝚘𝚔𝚊 𝚛𝚘𝚗𝚐𝚘𝚗𝚢 𝚖𝚊𝚟𝚎𝚜𝚊𝚝𝚛𝚊(𝑟𝑜̂𝑟𝑜̂), 𝚖𝚙𝚊𝚗𝚎𝚗𝚍𝚊𝚔𝚊 , 𝚖𝚙𝚊𝚗𝚐𝚊𝚛𝚘-𝚙𝚊𝚘𝚜𝚢 ary 𝚖𝚙𝚊𝚗𝚐𝚊𝚕𝚊𝚝𝚛𝚊 𝚖𝚒𝚝𝚊𝚖-𝚙𝚒𝚊𝚍𝚒𝚊𝚗𝚊 eny amin’iny faritra iny izy ireo. Samy antsoina hoe : Rasta izy mianaka ireo ary efa tena mankaleo ny mponina mihitsy. Nampita ny vaovao tamin’ny fomba miafina tany amin’ny mpitandro ny filaminana araka izany ny mponin’Itaosy ka noraofim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny izy mianaka ireto. Nahitana puce miisa 85 mifangaro tao an-tranony ka an’ny orinasam-pifandraisana Telma ny 41 isa. An’ny orinasam-pifandraisana Orange kosa ny 09 raha an’ny Airtel ny 35 ambiny. Ny 15 tamin’ireto farany no fantatra fa mbola mandeha. Mbola niampy vilany kely roa fitanehana rongony mavesatra na Rôrô ireo puce ireo. Hatolotra ny fitsarana rahampitso Zoma izy mianaka mpivinanto sy rafozana ireto.
Pati
Legende : Ireto izy mianaka vinanto sy rafozana samy jiolahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT