Fandriampahalemana

Loza teny Fenoarivo Mpitondra « moto » maty voahitsaky ny « Camion »


  • Talata 18 Jolay 2017

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Fenoarivo manakaiky ny toby fivarotan-tsolika Total omaly maraina.

Mpitondra moto iray no tra-doza voahosin’ny kamio lehibe ka ny « remorque » no nanitsaka azy. Saika hisongona io fiara lava be io izy no sendra nifanena tamina sarety iray, ka niala izany saingy nifatratra tany ambanin’ilay « remorque » ka notetezin’ny kodiarana, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso, ary dia maty tsy tra-drano. Potika tanteraka ny vatam-peny havanana, ary nipoitra avokoa ny nofo tamin’izany vokatry ny fanitsahan’ny kodiarana azy. Tafasisika teo anelanelan’ny kodiarana roa mihitsy, ka na nisy aza ny fanitsahana hisitra nataon’ny mpamily ilay fiara be, izay nisy dihany azy teo amin’ny arabe mihitsy, dia tsy afaka nialana nenina intsony io olona tra-doza io, ka na ny nijery ny fahapotehan’ny vatany aza nampivarahontsana ny rehetra. Nifampisokirana mihitsy ny tenany vao afaka tao ambanin’ny fiara. Tsy vao izao no nisehoana lozam-pifamoivoizana tamin’iny làlan’I Fenoarivo Alakamisy iny fa efa maro ihany ary matetika hamoizana ain’olona.

Gaboraraka loatra

Olana eto amintsika ny resaka fitondrana “moto”, indrindra fa ny “scooter” izay indraindray miteraka fimenomenonana sy fifanomezan-tsiny eo amin’ny samy mpampiasa làlana. Maro ireo mahatsapa sy mihevitra fa diso misetrasetra loatra ny mpanamory sasany, kanefa tena isan’ny fitaovam-piteterana mampidi-doza ny moto, izay efa tena be mpampiasa eto amintsika, ka na ny fanaovana ireny aroloha ireny aza, dia tsy vitsy no mihevitra fa fombafomba natao hialana amin’ny sazin’ny mpitandro filaminana no hampiasana azy. Olana ihany koa anefa ny tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny gaboraraka, ka samy manao izay saim-pantany ny rehetra. Ny resaka fotodrafitrasa toy ny tondro isan-karazany moa dia tsizarizary, ka na misy aza ireny, dia maro no tsy mahay mampiasa azy ireny akory. Tsy resaka tsy fitandremana fotsiny ny anton’ny loza eto amintsika fa eo ihany koa ny toe-tsaina mila hovaina, ka tsy ho zatry ny gaboraraka lava eto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT