Fandriampahalemana

Loza tao Ikalamavony Olona 2 namoy ny ainy


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao Mangidy Ikalamavony ny sabotsy 06 aogositra lasa teo, tokony tamin'ny 12 ora 20mn. Raha araka ny vaovao azo dia 2 km tsy hidirana ny kaominina ambanivohitra Mangidy no nisehoan’ny loza raha avy any Fianarantsoa.Taxi-brousse hiazo an’Ikalamavony nitondra olona no lasibatra

tamin’izany izay fantatra fa nivadibadika. Olona roa no namoy ny ainy teo noho eo raha miisa valo kosa ireo naratra izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CBS-II Mangidy hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay. Raha araka ny fitarainan’ireo mponina any an-toerana moa dia miandry fatratra ny asa fanamboaran’ny fanjakana ity lalam-pirenena faha-42 ity izy ireo. Diso ratsy loatra mantsy ilay lalana hany ka mamoa-doza matetika tahaka izao. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hanomboka ny asa izy ireo hisorohana ny loza mateti-pitranga tahaka izao. Efa fampanantenan’ny Fitondram-panjakana rahateo ny hanamboarana ity lalana ity hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT