Fandriampahalemana

Loza sy halatra nandritra ny fety Olona dimy no naratra, razana iray no hita


  • Alarobia 03 Jona 2020

Nanao tatitra mikasika ny asa niantsorohany nandritra ny fankalazana ny fetin’ny pentekosta teo ny polisim-pirenena omaly ho an’ny teto Antananarivo renivohitra.

 

 

 

Fantatra tamin’izany fa nahatratra 06 ny halatra tsotra nitranga, iray kosa ny halatra moto, miisa telo ny trangana fanendahana. Nahatratra folo ireo tranga niseho ireo ny alahadin’ny pentekosta raha miisa folo ny olona natao fanadihadiana. Ho an’ny alatsinain’ny pentekosta kosa dia nahatratra telo 03 ny trangana fanendahana, 03 ny halatra tsotra raha 03 koa ny halatra moto. Dimy ny isan’ny olona natao famotorana vokatr’izany raha iray kosa ny fandikan-dalana tamin’ny hamamoana an-dalambe. Mikasika ny fandikana ireo fepetra amin’ny fisorohana ny aretina Covid -19 indray dia nahatratra 120 ny fitambaran’ireo olona natao fanadihadiana. Miisa 135 ny lozam-pifamoivoizana nitranga raha tsy nisy ny namoy ny ainy. Olona roa kosa no naratra vokatry ny loza tsotra miisa 02, iray ny mpamily mamo tratra nitondra fiara, iray ny loza niampy fandosirana raha nahatratra roa ny naratra. Iray kosa ny razana hita.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT