Fandriampahalemana

Lonilonina mpanampy, ady tany,… Rotiky ny bala ireo namono talen-tsekoly mianaka


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Nivoaka ny marina mikasika ilay raharaha famonoana an’ilay talen-tsekoly tao Antanimena, Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka, tranga niseho tamin’ny herinandro teo.

Ny mpanampiny teo aloha ihany no anisan’ny namono azy mianaka kely ireto niaraka tamin’ny namany telolahy raha araka ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Nanana lonilony tamin’izy mianaka ireto io mpanampy io rehefa nalana tamin’ ny asany ka ankoatra ny fanalana ny ain’izy ireo dia voalaza fa voaholan’ilay mpanampy sy ireo namany hafa ihany koa izy mianaka, hoy hatrany ny vaovao. Nisy ihany koa ny olana nateraky ny ady tany, izay anisan’ny antony hafa nanosika ny sasany hanafaka ny ain’izy mianaka ireto ihany koa. Kibota izay fantatra fa an’izy mianaka nalain’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny toerany ary nitadiavany mpividy ka hita teny amin’ny tsenan’Ambatondrazaka no nahafahana namantatra ny marina rehetra. Nitsoaka moa izy efa-dahy ireto taorian’ny nahatrarana azy, antony nitifiran’ny mpitandro ny filaminana azy ka samy namoy ny ainy avokoa. Miantso ireo mponina ao an-toerana araka izany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Manakambahiny Andrefana mba ho tony hatrany ary hifanome tanana sy hifanoem vaovao raha vantany vao misy tranga hafahafa.
Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy voatifitra efa mihampatrampatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT