Lohomby Mantasoa

Tratra ireo saika hangalatra ny taolan’Andriandehibe


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Andian-jiolahy nikasa hamaky fasana no tra-tehaky ny fokonolona sy mpitandro ny

filaminana tao Andraingory Fokontany Lohomby, Kaominina ambanivohitr’i Mantasoa Distrikan’i Manjakandriana ny 08 Septambra teo tokony ho tamin'ny 5ora hariva. Raha araka ny fantatra dia efa tsikaritry ny fokonolona izy ireo nikasa hanao io asa ratsy io ka niantso zandary avy hatrany ireto farany.Ekipa miisa 6 tarihin'ny lefitry ny Kaomandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Mantasoa no nidina ifotony nampian’ireo fokonolona.Natao ny fiambenana ny toerana ny takariva saingy efa niala ny toerana saika hovakiana izy ireo ary tavela teo ireo fitaovana saika hoampiasainy.Tsy nijanona teo ny zandary fa nikaroka hevitra hahitana ireo jiolahy ka fantatra ny trano niafenany sy ny olona mampiantrano azy ireo.Vao mangirandratsy dia natao sarika ampandriana izy ireo ka tratra avokoa. Miisa 7 izy ireo ka ny roa no avy eto Ambatomaro Antananarivo. Tsy nahazo ireo sisan-taolan'Andriandehibe ireo olon-dratsy noho izany vokatry ny fahatongavan'ny zandary haingana.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy tsy mataho-tody mpamaky fasana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT