Loham-behivavy hita teny Antehiroka

Tombanana ho lohan’ilay faty hita teny Faravohitra


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Sesilany ny zava-doza sy mampihoron-koditra saika manerana ny Firenena !

Loham- behivavy iray no hitan'ny olona teny amin'ny fanariam- pako teny Morondava Antehiroka ny tolakandron’ny omaly 17 janoary 2024. Efa noraisin’ny manam-pahefana an-tànana ny momba ity tranga hafahafa ity, ka raha ny tomban'ny dokotera dia afak’omaly no nahafaty io olona io. Heverina fa mety ho lohan'ilay ramatoa hita faty teny Mangarivotra Faravohitra hita tamin’ny toerana mangingina ny marain’ny talata lasa teo. Ity farany izay nifatotra ny tongony, nofonosina tao anaty spaonjy sy gony, avy eo nareiana. Tena vono olona feno habibiana, fahasahiana tsy roa aman-tany. Tsikaritra ho miha mahery vaika sy tena anatin’ny habibiana sy amin’ny fomba tsy mifaditrovana ny endriky ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Eo ny mety lonilonim-piarahamonina, fa ankehitriny dia tena vola an’aliny na an’hetsiny dia hahavitan’ny olon-dratsy mandatsaka ain’olona amin’ny fomba mahatsiravina, izay endriky ny fahasimban’ny fiarahamonina, fahasimban’ny soatoavina, taratry ny fahantrana sy toa efa maneho an-kolaka an’ilay hoe : mifampihinana ny olombelona ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT