LeROMAH SY Le ZUMBA

Tratra nangalatra jiro COBRA teny Antsofinondry


  • Zoma 17 Novambra 2023

Ela ny ela fa tratra ihany ireo mpangalatra jiro COBRA eny amin’iny faritra Antsofinondry,

kaominina Sabotsy Namehana iny. Nandritra ny fisafoana nataon'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Sabotsy Namehana ny 15 Novambra teo tokony ho tamin'ny 01 ora maraina no nahatrarana ambodiomby ny tena ati-doha amin’izany izay fantatra amin’ilay anaram-bositra hoe : LeROMAH. Teo ampihanihana andrin-jiro, nangalatra ilay jiro ilay ranamana io no tratra. Nambarany avy hatrany ny namany mpiara-mangalatra aminy dia tsy iza fa i LeZUMBA izay mbola anaram-bositra ihany koa. Jiro miisa 25 no efa nangalarin'izy ireo teo amin'ny faritra Sabotsy Namehana, Amorondria, Ambodivondava, Manarintsoa, Ambohinaorina, Namehana. Hamidiny 25.000 Ariary eny Isotry eo amin'ny lamba tonta ny jiro rehetra azony aorian’izany. Tsy vitan'izay ihany fa mbola nahitana RÔRÔ na RÔX, miaraka amin'ny fitaovana fampiasa amin'izany ihany koa tena amin'i Le-ROMAH nandritra ny fisavana am-batana natao azy. Mitohy ny fanadihadiana ary efa misy ireo mpiray ombon'antoka amin'izy ireo voatazona hatao famotorana ihany koa.
Pati
Legende : LeRomah sy ny jiro nangalariny ary ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT