LEHILAHY VAO NIVOAKA NY FONJA

Tratra nitsindrona « héroïne » sy nanendaka


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

rehefa nanao sinto-mahery sy nitsindrona héroïne afak’omaly Talata 26 Martsa. Toy ny mahazatra mba hitandroana ny filaminana dia midina eny an-kianja manao fanamiana sivily ny Polisin'ny CSP4 manao fisafoana. Nandritra io fisafoana io indrindra no nahavoasambotra ireto lehilahy 04 mpanao sinto-mahery eny amin'ny manodidina an’Ambodin'Isotry sy Antohamadinika ireto. Nandritra ny fisavana azy ireo dia nahatratrarana héroïne sy fitaovana fitsondromana io zava-mahadomelina maherivaika io teny amin'izy ireo. Noentina niazo ny biraon'ny Polisy teny Isotry ireto farany ka fantatra fa efa mpamerin-keloka ny iray tamin'ny izy ireo ary vao tsy ela akory no nivoaka ny fonja teny Antanimora. Hiverina haka aina eny am-ponja indray Ingahirainy noho izany miaraka amin’ireo namany miisa telo.
Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy sy ireo fitaovana tratra teny aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT