Fandriampahalemana

Lehilahy tsy fanta-pihaviana Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Lehilahy iray sahabo ho 40 taona, no hita faty tao amina toeram-panjonoana iray eny an-tsaha na labadin-dRamalagasy, 1 kilometatra miala avy eo Bealanana tampon-tanana, amin’ny lalana mankany Ambatoriha, ny talata lasa teo.

 

Heverina ho novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity lehilahy ity raha ny fizahana natao tamin’ilay razana. Tombanana ho efa telo andro ihany koa ity Rangahy ity no nisy namono, saingy tsy nisy mpahita. Efa simba tanteraka mantsy ny razana. Ny mampalahelo anefa dia tsy nisy taratasy nahafantarana ity lehilahy ity tany aminy. Tsy fantatra ihany koa izay fianakaviany ka nandrasana ao amin’ny tranom-pokonolona Bealanana ny razana.

Nangonin’ i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT