Fandriampahalemana

Lehilahy tratra nanosika moto halatra Namiravira vola polisy fa nanantena ny ho afaka


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Lehilahy iray 33 taona afak’omaly 07 novambra tokony ho tamin’ny 3 ora sy 15mn maraina no tratra ambodiomby tetsy amin’ny Rond Point Ampasika nanosika moto halatra .

Nandritra ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana raha tsiahivina dia nahatsikaritra lehilahy iray nanosika moto JOG avy lavitra izy ireo. Rehefa niroso tamin’ny fisavana ireo mpitandro ny filaminana dia tsy nahitana kara-panondro teny amin’ilay nanosika moto. Nozahana ny taratasin’ilay moto fa tsy nisy ihany koa. Tsikaritra nandritra ny fisavana anefa fa nahitana fanalahidina trano maromaro sy isan-karazany ary « tournevis » teny aminy. Fantatra nandritra izany fa moto halatra ilay natosika. Namiravira vola tamin’ireo mpitandro ny filaminana ny tenany mba hahafahany mitondra izany. Notondroiny avy hatrany ny trano izay vao avy novakiany tamin’io maraina io. Rehefa tonga teny amin’ilay trano ireo Polisy dia tsikaritra fa voatapaky ny mpangalatra ny rojo vy nitana ilay vavahady ary voadidy ny « cadenas ». Nofohazina ny tompon-trano izay mipetraka teny amin’ny faritra Behenjy /Itaosy mba hahafantarany ny zava-nitranga. Natolotra ny Polisin’ny SUT Tsaralalàna moa ity lehilahy ity ary efa niakatra fampanoavana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT