Lehilahy tratra nangalatra mangahazo

Voasazy hiasa tany 3 andro na mandoa onitra 40.000 Ar


  • Talata 20 Febroary 2024

Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy ankehitriny.

Betsaka ireo tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro intsony, antony manosika ireo Raim-pianakaviana na Renim-pianakaviana hanaotao foana. Raim-pianakavina iray antsoina hoe : Ingahy telolahy no fantatra fa nangalatra mangahazo indray mahandro ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny Fokontany Antanety Atsimondrano ka tratra ambodiomby. Raha araka ny nambarany dia vokatry ny hanohanana nahazo azy sy ny ankohonany no nanosika azy hangalatra tahaka izao. Ny tenany rahateo tsy an’asa. Rehefa nentina teo anatrehan’ireo tompon’andraikitra tao an-tanana ny anaolahy dia fantatra fa nomena sazy hiasa angady mandritra ny 3 andro na mandoa onitra 40 000 Ar. Samy naneho ny fihetsem-pony mikasika ity tranga nampalahelo ity moa ny rehetra ka tao ny nilaza fa mety ny famaizana olona tahaka izao mba tsy handripahany ny fananan’ny mpiara-belona aminy intsony. Tao koa anefa ireo nilaza fa ny fanjakana mihitsy no tokony handray ny andraikiny hanome asa ny olona tahaka ireny mba tsy hanaotaovany foana tahaka izao intsony. Marihina moa fa nanam-bintana ity lehilahy ity ka tsy niharan’ny fitsaram-bahoaka raha ny fahasorenan’ny olona amin’ny fiatrehana ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny.
Pati
Legende : Ilay Raim-pianakaviana tratra teo am-pangalarana mangahazo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT