Fandriampahalemana

Lehilahy notetitetehan’ny dahalo Tratra ireo enin-dahy tompon'antoka


  • Talata 17 Desambra 2024

6 lahy voasambotra noho ny raharaha famonoana raim-pianakaviana mpanarivo manana omby tamin'ny fomba feno habibiana tao Andavaravina CU Analalava.

Tratra niaraka tamin’izy ireto ny rongony 200g sy ireo efa vita amin'ny taratasy mirefy 15cm hofohana ary paraky gasy. Raha tsiahivina dia nanao fanamian’ny mpitandro filaminana ireto andian-dahalo ireto, nidina naka raim-pianakaviana iray mpanarivo‚ mpiompy omby monina tao Andavaravina CU Analalava saingy notetitetehan'izy ireo ilay raim-pianakaviana ny 30 jolay hifoha 01 Aogositra 2024. Nanokatra fanadihadiana momba izany ny Zandarimaria ka ny farany volana Novambra 2024 teo no voasambotry Zandary avy ao amin’ny GAPJ Sofia izay tarihin’ny Kapiteny SAYAH Rakotonirina izy 06 mirahalahy tompon’antoka. Efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo.
Pâti
Légende : Mahavita mamono olona ny jiolahy rehefa miaraka amin'ny rongony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT