LEHILAHY NISY NAMONO TAO BRICKAVILLE

Ilay taizany ihany no nahavanon-doza


  • Zoma 16 Mey 2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

lasa teo tokony ho tamin'ny 12 ora atoandro. Lehilahy iray 58 taona no nisy namono tamin’izany ka nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny zandary avy ao amin'ny borigady territoriale Brickaville sy ny dokotera. Tratra ny alin'io ihany ilay nahavanon-doza izay tsy iza fa ilay zana-drahavavin'ny vadiny izay notazaina tao antrano ihany, hoy ny vaovao. Araka ny voalaza moa dia disadisam-piaraha-monina no nahatonga azy hanao izany noho ny resaka tany lova. Olona efa mpamerin-keloka ity tovolahy ity, raha ny fantatra. Efa nanakan-dalana tamin'ny lalam-pirenena faharoa izy ny volana Aprily taona 2024. Olona avy eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika avy any Antananarivo hamita iraka tany Toamasina no novelesin'izy ireo ny fiara tsy mataho-dalana nentiny ka very tamin’izany ireo fitaovana marobe. Mbola tratra tao an-tranony ihany koa ireo fitaovana ireo saingy tsy fay ny tovolahy fa mbola izao nahavita namono ny olona nitaiza azy izao indray.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT