Fandriampahalemana

LEHILAHY NIKASA HANGALATRA TAXI Mody nanao mpanjifa, tsy nisy vola nefa nahitana antsy maranitra iray


  • Zoma 13 Janoary 2023

Tena miharatsy ny fandriampahalemana eto amintsika. Lehilahy iray nanofa fiara karetsaka iray tamin’ny andro alina no nikasa hamono ilay mpamily ary haka ilay fiara ny alin’ny Alarobia teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandray ity fiara karetsaka ity teny bypass io lehilahy io ka nilaza ny aterina eny Namontana.Teny an-dalana dia niteny ity farany fa ho eny amin'ny fasan-karana. Rehefa izay dia nilaza ny aterina eny Anosizato indray izy ary nilaza fa mbola tsy misy vola any aminy. Mailo araka izany ny mpamilin’ilay fiara karetsaka ka nijanona teo amin'ny tobin-dasantsy iray teo Ankadimbahoaka ary nampandre avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana manodidina teo amin’ny manodidina. Tsy niandry ela ireo polisy ka tonga nijery ity olon-dratsy ity. Rehefa nosavaina izy dia tsy nahitana na inona na inona afa-tsy antsy iray. Tsy nisy vola koa tany aminy na dia ariary aza. Niaiky moa ity lehilahy ity fa nikasa hangalatra ity fiara-karetsaka nofainy ity. Nentina nihazo ny birao avy hatrany ity farany nanaovana ny fanadihadiana.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT