Fandriampahalemana

Lehilahy iray teny Soavimasoandro Novakiany ny fiangonana, nobatainy ny fitaovana


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Rangahy iray 35 taona no tratran'ny Polisy avy namaky trano omaly maraina tokony ho tamin'ny 05 ora teo ho eo teny Soavimasoandro.

Tamin'ny fotoana nanaovan'ireo Polisy fisafoana teny amin'iny faritra Soavimasoandro sy ny manodidina iny no nahitana ity lehilahy ity niaraka tamina karazan’entana maro. Notazomina avy hatrany izy noho ny fihetsiny hafahafa niaraka tamin'ireo entana hita teny aminy. Amplificateur miisa 02 sy table de mixage 01 no noentiny niaraka tamin'ny tandramokotra iray izay fantatra fa nampiasainy nanokafana ny trano izay novakiany. Rehefa nohadihadiana ity lehilahy dia niaiky fa entana avy nangalariny tao amin'ny fiangonana zandriny iray ao Soavimasoandro ireo fitaovam-panamafisam-peo ireo. Notazomina eny amin'ny biraon'ny Polisy avy hatrany moa ity farany nanaovana fanadihadiana. Ireo entana kosa dia mbola notazomina ao amin'ny biraon'ny Polisy mandrapavitan'ny famotorana ary hamerenana azy ireo any amin'ny tompony.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT