LEHILAHY HITA FATY

Ny rahalahiny ihany no nanafaka ny ainy


  • Talata 26 Novambra 2024

Ny rahalahiny iraitampo aminy ihany no fantatra fa nanafaka ny ain’ilay lehilahy iray 48 taona

hita faty tany amin’ny Fokontany Anjozoro Atsinanana, distrikan’i Manjakandriana. Raha tsiahivina kely dia ny alin’ny 21 Novambra lasa teo no nahitana ny razana niaraka tamin’ny lamba norakofany efa nihosin-dra. Rotidrotiky ny zava-maranitra ihany koa ny lohany sy ny tongony izay fantatra fa vono olona niarahan’io rahalahiny iraitampo aminy io tamina tovolahy roa hafa namany. Voalaza ho manana olana ara-tsaina moa Itompokolahy ka niteraka fahasorenana ho an’ilay iraitampo aminy izay niray trano taminy noho ny disadisam-piarahamonina nisy teo amin’izy ireo. Tonga hatramin’ny fanalana ny ainy izany. Mbola nahitana antsy mihosin-dra ihany koa moa teo akaikiny hoy ny loharanom-baovao.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy nahavanon-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT