Fandriampahalemana

Lehilahy efa nifonja tany tsiafahy Tratra saika hanendaka tovovavy 2 indray


  • Talata 07 Septambra 2021

Lehilahy iray, efa nifonja no tratran’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny faritra FTA II sy New Eden ny sabotsy 04 septambra teo raha mbola teo am-pikasana hanendaka tovovavy.

 Polisy manao fanamiana sivily no nahatratra azy io. Tamin’ny andron’ny sabotsy tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro raha tsiahivina no tratra tao an’ elankelan-trano iray ity lehilahy ity. Kaodikaody izy nandritra izany nanaraka tovovavy miisa 02 nandeha teo alohany. Nony lasa lavidavitra dia nanakaiky ireo tovovavy ity olon-dratsy ary saika hanao ny asa ratsiny. Niditra an-tsehatra avy hatrany anefa ireo Polisy nanao fanamiana sivily ka nanenjika ilay olon-dratsy izay nandositra vao nahita ireto farany. Voasambotra tsy lavitra teo izy. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ho saika hanendaka ireo tovovavy ireo ity olon-dratsy ity. Fantatra fa efa mpamerin-keloka izy satria efa nifonja tao Antanimora, ary vao nivoaka ny Fonjan’i Tsiafahy tamin’ny volana Febroary teo. Fanendahana miaro fampiasana sabatra no antony nidirany tany am-ponja. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ka naiditra am-ponja vonjimaika indray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT