LEHILAHY AVY NANGALATRA BISIKILETA

Mbola saika hanendaka ihany, noraisim-potsiny


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Tsy misy fandriampahalemana milamina intsony eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Mitombo isa hatrany mantsy ireo vahoaka sahirana sy tsy an’asa hany ka tsy manan-katao afa-tsy ny handripaka ny mpiara-belona aminy izy ireny. Lehilahy iray manodidina ny 32 taona ny faran’ny herinandro teo no niantsoan'ny 𝐕𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨n-𝐭𝐨𝐛𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 (CFS) IVATO ny zandarin'Ankadindravola, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. Nampiahiahy mantsy ny fihetsik’izy io ka notazomina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy.Nandritra ny fanadihadiana no nibabohany fa nikasa hanendaka teny amin'ny manodidina izy rehefa avy nangalatra bisikileta teny Ivato vao maraim-be. Tsy vitan'izany fa nibaboka koa izy fa mbola nangalatra finday Android marque GOME teny amin’ny 67ha ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany. Rehefa nohamarinina ihany koa ny momba azy dia fantatra fa mpamerin-keloka ralehilahy.
Pati
Legende : Nobatain’ilay ranamana tahaka izao ilay bisikileta avy nangalariny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT