Lehilahy avy naka mpampanofa vatana

Voahendaka nisy nanindrona antsy


  • Talata 10 Febroary 2026

Omaly 9 febroary 2026, tamin'ny 3 ora 30 minitra maraina,

nahazo tatitra ny zandarin'Ankadikely fa nisy lehilahy iray voahendaka nisy nanindrona antsy ka namoy ny ainy avy hatrany, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Teo amin'ny FJKM Ankadikely, kaominina sy distrikan'Antananarivo Avaradrano no voalaza fa nisehoan'io tranga io. Tamin'ny fitsirihana natao dia nahitana dian'antsy miisa 3 teo amin'ny faritry ny feny an-kavanana, tanana an-kavia ary teo ambany fony. Ny ratra be nahazo azy no nitarika ny fahafatesany raha ny loharanom-baovao voaray. Raha ny nambaran'ny fianakaviany dia nilaza ireo vehivavy namany fa avy naka mpampanofa vatana tao amin'ny "Three J" Ankadikely ity lehilahy ity no nisy nanendaka rehefa nandeha nody ka niafara tamin'izao fahafatesany izao. Matetika maka mpampanofa tena ao amin'ity toerana ity izy ary nanamarina izany ny olona namany mpiaraka taminy. Efa vatana mangatsiaka teny amin'ny hopitaly Anosy Avaratra Avaradrano kosa no novantanin'ny fianakaviana. Vehivavy miisa 2 no natao andrimaso hatreto. Misokatra ny fanadihadiana lalina, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Lehilahy avy naka mpampanofa vatana
Voahendaka nisy nanindrona antsy
Omaly 9 febroary 2026, tamin'ny 3 ora 30 minitra maraina, nahazo tatitra ny zandarin'Ankadikely fa nisy lehilahy iray voahendaka nisy nanindrona antsy ka namoy ny ainy avy hatrany, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Teo amin'ny FJKM Ankadikely, kaominina sy distrikan'Antananarivo Avaradrano no voalaza fa nisehoan'io tranga io. Tamin'ny fitsirihana natao dia nahitana dian'antsy miisa 3 teo amin'ny faritry ny feny an-kavanana, tanana an-kavia ary teo ambany fony. Ny ratra be nahazo azy no nitarika ny fahafatesany raha ny loharanom-baovao voaray. Raha ny nambaran'ny fianakaviany dia nilaza ireo vehivavy namany fa avy naka mpampanofa vatana tao amin'ny "Three J" Ankadikely ity lehilahy ity no nisy nanendaka rehefa nandeha nody ka niafara tamin'izao fahafatesany izao. Matetika maka mpampanofa tena ao amin'ity toerana ity izy ary nanamarina izany ny olona namany mpiaraka taminy. Efa vatana mangatsiaka teny amin'ny hopitaly Anosy Avaratra Avaradrano kosa no novantanin'ny fianakaviana. Vehivavy miisa 2 no natao andrimaso hatreto. Misokatra ny fanadihadiana lalina, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT