LEHILAHY 72 TAONA TSY HITA TAPA-BOLANA

Ny karan-dohany sy ny taolany efa lanin’ny alika sisa hita


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Hita ilay lehilahy lehibe 72 taona nanjavona tao Imerintsiatosika ary nanaovan’ny fianakaviany

fampilazana tamin’ny radio tapa-bolana lasa izay. Vatana mangatsiaka efa norotidrotehan’ny alika anefa sisa no hita tao amin’ny Fokontany Mamoladahy 2bis Amparihy kaominina Imerintsiatosika afak’omaly Alatsinainy 15 Jolay tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro no sady efa nisy fofona. Tao anaty kirihitra manodidina ny fasana Mamoladahy no nahitana azy raha ny vaovao azo ka ankizy roalahy nanao ankiafina no nahita ny lohany voalohany izay efa karana sisa. Tsy lavitra ity karan-doha ity moa no nahitana ny akanjony, ny kapa ary ny pataloha sy ny satroka nanaovan’Itompokolahy. Rehefa nokarohin’ny fokonolona ny manodidina dia mbola nahitana taolan-dava vitsivitsy efa lanin'ny alika koa. Tombanan'ny fianakaviana ho nisy namono Itompokolahy. Na izany aza ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no tena maharitra izany. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay razana ! Ilay karandoha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT