LEHIBENA MPANENDAKA SADY MPAMERIN-KELOKA

Lavon' ny bakan'ny Polisy teny Anjanahary


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Noho ny fitarainana matetika azon’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny

CSP 3 Antaninandro amin’ny fisiana mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny Andravoahangy, Ankadifotsy, Ambatomainty sy Anjanahary iny dia nanao angom-baovao sy fanaraha-maso tamin’ireo faritra ireo ny Polisy mba hahafahana misambotra ireo olon-dratsy sy hampitsahatra ny asa ratsy hataony. Nandritra ireo hetsika nataon’ny Polisy araka izany dia nifanehatra tamin’ny andiana mpanao sinto-mahery sady mpanendaka ny Polisim-pirenena avy amin’ny CUI sy ny UIR ny atoandron’ny 17 Septambra teo tokony ho tamin’ny 11 ora, teny amin’ny cimetière Anjanahary. Teo am-panendahana mpandalo mihitsy no sendran’ireo Polisin’ny CUI sy ny UIR manao fanamiana sivily ireto olon-dratsy ireto ka nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana nisambotra azy ireo. Nikasa hamely tamin’ny sabatra teny amin’ny ilay lehiben’ireto mpanendaka ireto ka niaro tena tamin’ny alalan’ny tifitra ny Polisy. Vokany, lavo noho izany ity jiolahy ity. Nahita izany ireo namany hafa dia nitari-dositra ka tafaporitsika. Karohin’ny Polisim-pirenena izy ireo noho ireo asa ratsy efa vitany. Fantatra kosa fa lehibena mpanendaka sady mpanao sinto-mahery efa mpamerin-keloka ity lavon’ny balan’ny Polisy ity.
Pati
Légende : Afa-doza ny mponin'Anjanahary tamin'ity jiolahy lavo ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT