Fandriampahalemana

Lefitra faharoan’ny ben’ny tanànan’Ambovombe Nisy namono, voatrobatrobaky ny antsy ny tendany


  • Zoma 17 Martsa 2023

Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana omaly Alakamisy 16 Martsa ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitr’Ambovombe.

Raha araka ny fantatra dia tao an-tokantranony ihany Itompokolahy no nisy nanafika rehefa avy notofirina. Notrobatrobarina tamin’ny antsy ny tendany noho izany raha tao an-damosiny kosa no voalaza fa nidiran’ny bala. Olona sendra nitady ka tsy nahita azy tonga tany am-piasana no taitra ka nahita azy efa tsy nisy fofon’aina intsony. Raha araka ny fantatra moa dia anisan’ny andraikitra goavana sahaniny eo anivon’ny kaominina ny resaka sosialy. Olona akaiky sy hatokisan' ny solombavambahoaka Milavonjy Andriasy ihany koa ny tenany. Miantso ny mpitandro ny filaminana mba hanao fanadihadiana lalina mikasika ity vono olona mahatsiravina ity ireo fianakaviany sy ny mpiara-miasa aminy.
Nangonin’i Pati
Legende : Rotidrotika tahaka izao ny tendan’Itompokolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT