Fandriampahalemana

Lasa faritra mena Isoraka Lasibatra ireo vazaha mivoaka alina


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Miaina anaty tsy fandriampahalemana tanteraka ireo mponina eny Isoraka sy ny manodidina ankehitriny.

 

Misy andiana mpanendaka mitondra môtô tonga manafika eny an-toerana miaraka amin’ny basy lava eo akaikin’ny fivarotana saribao iray. Ireo vazaha mivoaka alina sy mivezivezy amin’iny toerana iny no tena mahita faisana nkoatra ireo teratany  malagasy efa sahirana nefa mbola mizaka ny tsy eran’ny ainy. Raha ny fitarainan’ireo  olona efa sendra ireo jiolahy dia manao andiany tsiroaroa amin’ny môtô izy ireo. Mihaona amina toerana somary maizimaizina ry zalahy mialoha ny hanaovany ny asa ratsiny ary mifanome toromarika amin’ny finday rehefa misy haza kasainy hotratrarina. Fantatra ihany koa fa manao pataloha mitovy bika  amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana izy ireo ka mahatsiaro sahirana hatramin’ireo fiara voasakana. Misakana fiara ihany koa mantsy izy ireo. Manao antso avo amin’ny manampahefana rehetra ny mponina eny Isoraka sy ireo mpampiasa iny faritra iny mba hijery akaiky izany. Lohalaharana amin’ireny ireo manana toeram-pialamboly izay mihena isan’andro ny mpanjifany noho ny  firongatry ny asan-jiolahy.

Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT