Fandriampahalemana

Lalana Rocade d’Iarivo Misy mangalatra ireo vy mari-pamantarana


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Mirongatra ny halatra vy eto amintsika. Efa niakatra ho 1.000 Ar rahateo ny iray kilao amin’izy ireny hany ka lasa

manaotao foana avokoa ny ankamaroan’ireo tsy manana antom-pivelomana matotra. Ankoatra halatra varavaramby, ny tetezana, ny vy eny amin’ny fasana dia efa misy mangalatra ihany koa amin’izao ireny karazana mari-pamantarana vita amin’ny vy ireny. Voakasik’izany manokana ny eny amin’ny lalam-baovao Rocade d’Iarivo izay mampitaraina fatratra ireo mponina. Toa izy ireo hatrany mantsy hoy ireto farany no mahazo loza rehefa misy zava-mitranga eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpandalo misy manendaka izay efa nisamborana zanak’olona maromaro teny an-toerana. Ankehitriny mari-pamantarana maromaro indray no very izay ahian’izy ireo hitera-doza ho an’ireo mpamily mampiasa iny lalana iny, indrindra fa ireo mandefa mafy. Manao antso avo ny amin’ny tokony hanamafisana ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny araka izany ny mponina. Notsindrian’izy ireo moa fa olona avy any ivelany mihitsy no tonga manao zava-dratsy eny amin’iny lalam-baovao Rocade iny.
Pati
(Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT