Fandriampahalemana

Lalana Fasan'ny Karana Moto mandeha no nogiazan’ny jiolahy avy hatrany


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika. Efa misy maka an-keriny eny am-pitondran’ny tompony azy ihany koa ny moto amin’izao.

Moto iray no lasibatr’izany omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy 15 minitra atoandro teny amin’ny lalana Fasan’ny Karana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia teo am-pandehanana moramora tamin’ilay lalan-dratsy iny no nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ilay moto ka lehilahy miisa telo no tompon’antoka tamin’izany. Nanapoaka basy indray mandeha izy ireo ka lasany ilay moto raha niala maina kosa ireo lehilahy roa nitaingina azy. Nirifatra nandositra ireo jiolahy taorian’izany rehefa azony soa aman-tsara ilay moto. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Ny tebiteby sy ny horohoro nahazo ireo olona teny an-toerana no betsaka izay nilaza sy namoaka vaovao ihany koa fa miisa roa isan’andro raha kely ireo mpitondra moto eny an-toerana no voaendaky ny jiolahy. Tokony hisy araka izany ny fepetra raisina momba ireny jiolahy mpanararaotra eny amin’ny Fasan’ny Karana ireny. Tsiahivina moa fa moto vao avy novidiana roa volana lasa izay ity moto nisy nakma an-keriny omaly ity.
Pati
Legende : Ity ilay moto nisy naka an-keriny teny amin’ny Fasan’ny Karana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT