Fandriampahalemana

Lalam-pirenena faha-4 Telolahy nanafika mpanao vakansy


  • Zoma 22 Jolay 2022

Fianakaviana iray handeha hiala sasatra any amin'iny Faritra Boeny iny ary nitondra ny fiarany manokana no fantatra fa notafihin'ny dahalo afak'omaly.

Tao amin'ny tanana kely antsoina hoe : Andohamasina miala kely an'i Mahitsy, lalam-pirenena fahaefatra izy ireo no lasibatra ka notorahin'ireo jiolahy tamin'ny vato nandritra izany ny fitaratr'ilay fiara nentin'izy ireo. Potika tanteraka noho izany ny fitaratr'ilay fiara. Tsy afa-nanoatra ireo tompony nandritra izany fa niezaka nanavotra ny ainy ka teo amin'ny tobin'ny zandary teo Ampanotokana no nila vonjy. Ireto farany taorian'izany no niezaka nanenjika ireo jiolahy izay miisa 3 raha ny loharanom-baovao azo. Tsy lavitra an'i Mahitsy moa ireto farany no tratra izay vinavinaina ho tsy an'asa nefa mety azo heritreretina ho efa manao mpanafihana any amin'iny lalam-pirenena fahaefatra iny ihany koa. Ny fanadihadian'ny zandary moa no tena hamaritra izany. Ny hany azo ambara dia tokony samy hitandrina avokoa mpanao vakansy mikaza hiazo iny lalam-pirenena fahaefatra iny fa efa tonga eo Mahitsy ny mpanao fanafihana ary tena tsy milamina intsony ny tany.
Nangonin'i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT