Fandriampahalemana

Lalam-pirenena faha-4 Nisy nitora-bato ilay fiara nitondra mpizahatany


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Miha ratsy hatrany ny fandriampahalemana any amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny ankoatra ny lalana.

Fiara mini bus iray mpitondra mpizahatany no fantatra fa nisy nitora-bato teny amin'ny lalam-pirenena faha-34, 35km miala an'i Maevatanàna afak’omaly tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro rehefa hiazo an’i Mahajanga. Niparitaka vokatr’izany ny fitaratra saingy tsy nisy kosa ny naratra. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia lala-mahitsibe no sady tsara no nitrangan’ity fitoraham-bato fiara ity. Sahiran-tsaina ihany araka izany ny rehetra nandinika ny mety ho fikasan-dratsin’ireo mpitora-bato na saika hanafika tamin’ny andro atoandro na sotasota entina hampihorohoroana ireo mpizahantany vahiny fotsiny. Efa nampandre ny zandarimariam-pirenena any amin’iny lalam-pirenena iny moa ireo lasibatraraha nandositra tsy nisy tratra kosa ireo tompon'antoka.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT