Fandriampahalemana

Lalam-pirenena faha-3 Tratra ilay lehilahy mpamandrika fiara sy moto


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Lehilahy iray 48 taona no tra-tehak’ ireo mpitondra fiara mampiasa ny lalam-pirenena fahatelo manodidina ny "Vahilava"

nanao fandrika an'ireo mpandalo mandalo eny amin’iny faritra iny ny 13 desambra teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina.Tonga ara-potoana ny polisy nandritra izany ka voasambotra iny alina iny ihany ity farany. Efa fanaon'ity rangahy ity ny manakatsakana mpitondra fiara sy moto na manendaka olona sendra alina mandalo amin'ny làlana iny, raha araka ny fantatra. Olon-tsotra nitondra fiara no nahatsikaritra aro loha sy satroka teo afoavoan'arabe ka nijery ny manodidina. Hitan'izy ireo fa niafina ity tontakely ity ka nisy ny fanarahan-dia nataony. Ankilan'izay dia efa nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana ka tonga ara-potoana tsara. Nentina nihazo ny biraon'ny Kaomisarian’ Avaradrano avy hatrany ity lehilahy ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lehilahy mpamandrika mpitondra fiara sy moto any amin’ny RN 3
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT