Fandriampahalemana

Lalam-baovao Rocade d’Iarivo Efa-dahy nandrahon’ olona tamin’ny basy sy sabatra


  • Talata 27 Desambra 2022

Lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe ao Tsaralalana alin’ny 24 desambra

teo tokony ho tamin’ny 08 ora sasany alina teny amin’ny Rocade d’Iarivo rehefa nandrahona olona tamin’ny basy sy sabatra no sady nanendaka. Olona roa avy namonjy sasak’alina tao amin’ny Père Pedro hamonjy fodiana no nosakanan’ireo olon-dratsy teny an-dalana teny amin’iny Rocade d’Iarivo iny. Nambanan’ireto olon-dratsy tamin’ny basy sy antsy lava na sabatra izy roa, avy eo nasainy namoaka izay rehetra tany aminy ka vola sy finday miisa roa no lasan’ireto jiolahy. Nasain’ireto olon-dratsy nandeha izy roa rehefa azony izay nilainy ka nolazainy fa tsy mahazo mitoditodika raha tsy izany hotifirina amin’ny basy. Rehefa lasa aloha kely ireto niharam-boina dia nifanena tamina Polisy nanao fisafoana ka nilaza ny zavatra nanjo azy. Tsy niandry ela ny Polisy fa avy hatrany dia nanenjika sy nanara-dia ireto jiolahy ireto. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra avokoa izy efa-dahy. Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia tsy hita teny intsony ilay basy fa ny antsy lava no tra-tehaka teny amin’izy ireo. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Marihina fa 17 taona no zandriny indrindra amin’izy ireo raha 23 taona no zokiny indrindra. Natolotra ny omaly izy efa-dahy ka efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT