LALAM-BAOVAO

AMBOHITRIMANJAKA


  • Alarobia 10 Jona 2026

Tratra ambodiomby ilay mpangalatra vata mpitahiry herinaratra

Lehilahy iray 24 taona no tratra Ambodiomby teo am-pangalarana ny vata mpitahiry herinaratra izay mampandeha ny jiro manazava ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, ny harivan’ny alahady 07 Jona 2026.Teo am-pisokirana ny toerana misy ireo vata mpitahiry herinaratra izy no tsikaritr’ireo mpiambina teny an-toerana ka niantsoan’izy ireo ny Polisimpirenena izay tonga haingana nisambotra azy. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy. Nandritra ny fisavana natao taminy dia nahitana fonosan-drongony ihany koa teny aminy. Voaporofo amin’izao fa mitarika amin’ny fandikan-dalàna toy ny halatra sy fanimbàna fananana iombonana ny rongony ka tsy mikely soroka ihany koa ny Polisimpirenena manao izay hamongorana izany. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, ary hatolotra ny Fampanoavana aorian'ny famotorana savaranonando ataon'ny Polisy. Ankasitrahana hatrany ny fanomezan-tanana avy amin’ny olom-pirenena ka hahitàna vokatra tahaka izao.
NARINDRA (Stagiaire)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT