LAKATO MORAMANGA

7 lahy nanafika mpandraharaha, nahatrarana basy vita gasy sy rongony


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Moramanga.

Ny alin'ny 12 Febroary lasa teo raha araka ny vaovao azo dia naharay antso ny avy eo anivon'ny zandarimaria Moramanga fa misy andian'olona nanafika tao amin’ny Fokontany Ambodigavo kaominina ambanivohitr'i Lakato saingy tsy nahazo n'inona n'inona izy ireo. Nifindra tao Ampasinambo indray ireo dahalo taorian’izany ka nandroba tokantranona mpandraharaha iray.Raha vao naheno izany ny avy eo anivon'ny vondron-tobiparitry ny Zandarimaria Moramanga dia nanetsika ireo ekipany ka tra-tehaka tany amin'ny PK 28 amin'iny lalana Anosibe an'Ala iny ny 7 mirahalahy ary ny andron'io ihany koa dia tratra ny mpaniraka sy mpanafatra ireto dahalo ireto. Nanamafy ny fanentanana ny fokonolona eny anivon'ny kaominina tsirairay mandrafitra ny Distrikan'i Moramanga kosa ny Lehiben'ny Distrika Atoa Rakotoniaina Eddy Marco amin'ny fanomezana loharanom-baovao an'ireo mpitandro ny filaminana. Basy 2 niaraka tamin'ny bala maromaro no tratra niaraka tamin'ireto dahalo ireto miampy ireo zavatra voaroba.Nisy ihany koa vola sandoka maromaro sy rongony tratra niaraka tamin'izy ireo. Efa ao anatin'ny fanadihadiana ny eo anivon'ny Zandarimaria raha efa natolotra ny fitsarana omaly kosa ireo olon-dratsy.
Pati
Legende : Ireto izy fitolahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT